Fiaraha-miasa : hanohana ireo kaominina ny loholona Frantsay

Noraisin’ny loholona, no­tarihin’Andrianandrasana Haja­niaina Tahina, tetsy Ano­sikely ireo loholona Frantsay, notarihin’i Olivier Cadic, omaly. Voaresaka ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Fran­tsa, indrindra eo amin’ny samy Antenimierandoholona. Niompana amin’ny fanomanana ny fihaonambe hiarahan’ny loholona sy Malagasy mpandraharaha, andaniny sy amin’ ireo loholona miaraka amin’ ny Frantsay mpandraharaha ankilany ny dinika. Hotan­terahina eto amintsika amin’ ny taona ho avy izany.
Voaresaka koa ny fanamafisana sy fampitomboana ny fiaraha-miasan’ireo faritany any Frantsa amin’ny kaomi­nina eto amintsika.
Ankoatra izay, nifanakalozan’izy ireo hevitra ny sehatry ny fizahantany, ny indostria, ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, ny angovo ary ny kolontsaina.

Synèse R.

Partager sur: