Miroso amin’ny fanatanterahana ny fifaninanana nasionaly ny tomponandraikitra eto Madagasikara, taorian’ny fiovana nisy teo amin’ny fotoana hanatanterahana ny fifaninanana “Miss monde 2023”. Ny solontenan’ny Malagasy amin’ity fifaninanana ity izay efa vonona tanteraka.
Namoaka fanambarana ofisialy ny Comité nationale de préparation de Miss Madagascar, CNMM, ny Zoma 7 avrily 2023, ny amin’ny mahakasika ny fifaninanana “Miss Madagascar 2023”. Anton’izany fanambarana izany ny fihemoran’ny fifaninanana “Miss monde 2023” any amin’ny faramparan’ny taona 2023 any. Fantatra tao anatin’izany fa hotanterahana aorian’ny 26 jona 2023, eto Antananarivo, ny fifaninanana “Miss Madagascar 2023”. Noezahina nampanarahana ny fepetra sy toromarika apetraky ny mpikarakara ny “Miss Monde” ny fifaninanana. Marihina fa eo ambany fanaraha-mason’ny tomponandraikitra mpikarakara ny “Miss Monde” ny fifaninanana eto Madagasikara.
Ny volana jona, aorian’ny fetim-pirenena no hanatanterahina ny fifaninanana “Miss Madagascar 2023”, eto Antananarivo. Ny mpandresin’ity fifaninanana ity no misolo tena an’i Madagasikara any amin’ny fifaninanana “Miss monde 2024”. Faritra 22, miaraka amin’ny solontenan’ny Diaspora no nahatonga solontena amin’izao fifaninanana hatsarana amam-bika izao. Marihina fa tsy ny hatsarana amam-bika ihany no hitsarana ny mpifaninana amin’ny “Miss Madagascar” fa eo ihany koa ny fahaizana sy fahalalana, ankoatran’ny tetikasa firotsahana eo anivon’ny fiarahamonina, indrindra ny fianarana, volavolaina sy hotanterahin’izy ireo avy. “Hataon’ireo solontena avy amin’ny faritra avokoa ireo “Challenge” rehetra izay hifaninanana any amin’ny “Miss Monde” ka misy ny atao ao amin’ny pejy ofisialin’ny “Miss Madagascar 2023″ ao amin’ny tambajotra sosialy, ary misy ny atao mandritry ny fahatongavan’ny mpifaninana eto Antananarivo amin’ny volana jona”, hoy ny mpikarakara. Marihina fa efa afaka tohanana sy fidiana amin’ny alalan’ny ako ao amin’ny pejin’ny “Miss Madagascar 2023” ny mpifaninana tsirairay avy.
Lin (Mpianatra asa)