Mantasoa : 20mn ny faharetan’ny fandehanana lakana

Nidinika nanomana ny fiatrehana ny fetin’ny Paska, ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-dranomamy sy an-dranomasina (APMF), ny alakamisy 6 avrily teo. Ho an’ny tany Man­tasoa, tsy maintsy nandalo fanamarihana avokoa ny lakana rehetra nandeha. Toerana telo no azo niaingana, teny Ampasimpotsy Ambatolaona, Hôtel Ermitage ary ny faritra misy ny biraon’ny zandarimaria. Noferana ho 20 minitra ny faharetan’ny fitsangatsanganana, sahanin’ny lakana misy motera.
Ankoatra izay, tsy maintsy nanana fitaovana famoahan-drano ny lakana mpitatitra ny mpitsangatsangana. Eo koa ny salotraina ho an’ny mpandeha tsirairay, ny fitaovam-pifandraisana finday. Noferana nanomboka tamin’ny 8 ora maraina ka hatramin’ny 4 ora tolakandro ny fitaterana. Tsy maintsy misy olon-dehibe iray miandraikitra ny zaza latsaky ny efa-taona. Nampindrana salotraina miisa 140 ny APMF ho an’ireo mpampiasa lakana.
Niara-niasa ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny, toy ny fokontany, ny kaominina, ny distrika, ny prefektiora, ny zandarimaria, ny fitantanam-paritry ny Fizahantany, sns. Eo koa, tompon’ny sambo sy ny mpanamory lakana, ny tompon’ny trano fandraisam-bahiny, sy ny hafa. Isan’ny nandray fepetra toy izao koa ny tany amin’ny faritra Vakinankaratra.

Henintsoa Hani.

Partager sur: