Kolikoly !

Tsy misy sehatra iray ka tsy ahitana na andrenesana kolikoly amin’izao fotoana izao. Tena manafotra ilay fiarahamonina ny zava-misy. Very hasina tanteraka ny maha olombelona. Tsy miteny rehefa tsy vola. Ny endrika ivelany sy fisehosehoana no zary maridrefy ilazana fa « izany ka tena olombelona ». Tsy misy lanja intsony ny fanahy nampiavaka amin’ny biby. Tsy mahagaga raha mahazo vahana ny herisetra sy fandatsahana aina etsy sy eroa.
Nivoaka tamin’ny fahanginana ireo ray am-panahy, nandritra ny fankalazana ny andron’ny Paka. Samy nanitrikitrika izy ireo amin’ny tokony hametrahan’ny tsirairay ny tenany amin’ny toerana sahaza azy. Indrindra mba hifandraika amin’ny iraka ankinina sy ny vokatra andrasana aminy izay atao. Fanambarana natao isaintsainana misimisy kokoa ireny. Manana adidy rahateo izy ireny amin’ny maha raiamandreny, nomem-pahasoavana manokana.
Manana adidy goavana ny isam-batan’olona, amin’ny sedra sy fahalovana misy, indrindra ny any anivon’ny tokantrano. Atomboka amin’ny ankohonana ny famerenan-kasina, amin’ny alalan’ny fifanabeazana. Izay hita sy iainana any an-tokantrano no entiny miseho masoandro ety ivelany. Toraka izany, hita fa mahametimety avy ety ivelany, entina any an-trano. Hany ka mifanohitra tanteraka ny fomba fiainana sy fisainana misy ankehitriny. Ny tsara lasa ratsy, ny tsy manjary no lasa modely.
Manahirana ny miresaka ny toe-draharaha, saingy tsy azo atao ny mijery arina an-tava. Iarahan’ny Malagasy rehetra mizaka rahateo ny zavatra tsy mandeha amin’ny laoniny. Tsy maintsy firaisan-tsaina sy fahatsapan-tena faobe no mahavaha olana. Mila mampitovy tadin-dokanga ny rehetra. Mila fandraisana andraikitra tambabe. Tsy misy afaka ny hitompo teny fantatra intsony na iza na iza. Tsy maintsy mifanome tanana izay tsara sitrapo sy mahatsapa fa manana adidy amin’ny taninjanaka sy ny taranaka.
Anisan’ny teboka iray, ilana fiaraha-mientana ny ady amin’ ny kolikoly, izay fositra amin’ny tsy fetezan-javatra misy. Mila fanadiovana hatrany amin’ireo rafitra manokana nomem-pahefana hamongotra izany. Iaraha-mahalala ny tsy fahom­biazan’izy ireny. Tsy hita izay vokatra goavana azo tsapain-tanana. Sarotsaronana amin’ny « trondro madinika » sy ny atri­kasa sy ny seminera ny tsy fahombiazana. Tsy tokony hahataitra anefa izany, satria na ny fanendrena izay ho mpitantana ny rafitra aza mbola miankina amin’ny toerana politikan’ilay mpanendry azy. Tsy misy afaka ny hilaza fa resaka teknisianina tanteraka ny fametrahana mpiasam-panjakana ambony iray. Olona hamita ny iraky ny «  patron » ny ankabeazany.
Ataon’ny olon-tsotra ahoana ny handà kolikoly, raha ny lohany sy ny olona natao fitaratra aza miliba sy tsimatimanota. Tsy ampy handresena ny fakam-panahy ny fanentanana sy sarin’ady atao. Zary atao haingon-databatra, dokambarotra hosoka amin’ny mpiara-miombon’antoka ny lalàna mifehy ny kolikoly. Mibaribary ny mizana tsindrian’ila amin’ny fampiha­rana azy. Lesoka goavana tsy maintsy ilana fahavononana sy finiavana ny fanaovana izany. Tsy ampy ny fisehosehoana fa tany tan-dalàna i Madagasikara. Vokatra azo tsapain-tanana no ilaina. Raha mitohy ny kolontsaina lo tahaka izao, tsy mahagaga raha mbola mihamivarina an-kady isika. Miainga avy any an-tampony ny fiovana fa tsy fanovana akory….

r.r

Partager sur: