Nofaranana vonjimaika eny anivon’ny distrika, omaly, ny lisitry ny mpifidy. Araka ny fitsirihana natao, mahatratra 66 313 ny anarana miverimberina. Mbola azo atao tsara ny fanitsiana…
Miisa 10 069 136 ny olom-pirenena voasoratra amin’ny lisitry ny mpifidy, talohan’ny fanontana azy amin’ny fanakatonana vonjimaika eny anivon’ny distrika, omaly. Mahatratra 66 313 ny anarana miverimberina, rehefa natao ny fitsirihana tamin’ny alalan’ny rindrambaiko. Miisa 379 161 ny anaran’ny mpifidy nahitana tsy fahatombanana ka mbola hahitsy. Mahatratra 9 623 662 ny isan’ny mpifidy, raha ny tarehimarika farany nahavita fanadiovana. Na izany aza, efa nisy tovana lisitra mpifidy taorian’ny fanontana tamin’ny fanakatonana vonjimaika. Miandry ny famaranana izany ary miaraka amin’ireo mpifidy vao misoratra anarana hatramin’ny 31 mey.
“Tsy hoe anarana olona iray miverina imbetsaka ny anarana miverimberina, fa vokatry ny mety ho olana tamin’ ny fandraisana sy fandraketana tamin’ny ordinatera”, hoy ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, momba izay famaranana vonjimaika ny lisitry ny mpifidy izay. Misy koa ireo olona nifindra toeram-ponenana, ka nisoratra anarana indroa. Tsy hita teny anivon’ ny distrika avy hatrany izany, fa niova distrika izy tamin’ny nifindra monina. Eo koa ireo ao anatin’ny fokontany misy azy ihany, fa fotoana samy hafa nisoratany anarana, ohatra.
Entanina hatrany izay tsy mbola nisoratra anarana
Misy fahadisoana tamin’ ny famenoana takelaka fanisana mpifidy kosa ny tsy fahatombonana: misy tsy mazava, ohatra, ny mombamomba ny mpifidy, na tsy feno tanteraka ny laharan’ny karapanondro, na misy banga ny daty nahaterahana… Mety tsy feno hatrany am-boalohany, ohatra, ny momba ny mpifidy, fa nentim-pahatsorana fotsiny izay nampiditra azy ao anaty ordinatera. Mila hanaovana fanitsiana izay anarana nahitana tsy fahatomombanana izay: averina any anivon’ny fokontany, sao fahadisoan’ny Vaomiera ifotony misahana ny fanisana mpifidy (CLRE).
Misy ny teny mita nataon’ ny Ceni ny amin’ireo mpifidy tafiditra ao amin’ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (Ral), nefa tsy tafiditra amin’izao fanavaozana tanteraka izao: entanina izy ireo mba hisoratra anarana eny anivon’ ny fokontany. Hatramin’ny 31 mey no hahazoana manao izany, ary 20 andro aorian’ny fahatongavan’ny lisitry ny mpifidy eny anivon’ny fokontany no hahazoana manao fanamarihana sy fanitsiana.
R. Nd.