Mbola mahabe resaka… “Lalàna mipetraka ve horavan’ny fanambarana? Satria ny lalàna momba ny antoko politika no manome alalana anay antoko politika hiresaka sy hanao tatitra ary ny adidin’ olom-pirenena amin’ny mpiara-dia aminay. Lalàna apetraky ny minisiteran’ny Atitany izany”, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Vahoaka miray (Vami), i Gaby Vakiniadiana, ny amin’ny tsy fahazoana manao famoriam-bahoaka ankalamanjana fa tsy maintsy anaty efitrano no anaovana izany na malalaka aza ny fanehoan-kevitra.
Milaza koa ny lalàmpanorenana fa zon’ny antoko politika, indrindra ny depiote, ny manao tatitra amin’ny vahoaka. Mbola miteny amin’ny antoko koa ny Ceni amin’ny fanampiana azy hanentana ny olom-pirenena hisoratra anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy. “Raha ny tena marina, ny mpanohitra no tena kendrena amin’iny fanambarana iny”, hoy izy. Mila ampiharina araka ny tokony ho izy ny lalàna, fa tsy potehina ny lalàmpanorenana. Manan-jo hanao fanabeazana olom-pirenena sy hanentana azy hisoratra anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy ny antoko.
Atahorana ho be dia be ve ny olona hifidy dia tsy azo anaovana tetika maizimaizina intsony any anaty valim-pifidianana sa ny mpanao politika no tsy tiana hanentana vahoaka? Amin’izay, kamo ny vahoaka. “Efa tsy famelana malalaka ny fahazoana maneho hevitra an-kalalahana ny tsy fahazoana manao famoriam-bahoaka ankalamanjana”, hoy ihany izy. Ny tsy ao anatin’ny fitondrana ihany ve no tsy mahazo manao izany? Tokony hatao mitovy rehefa samy mahazo manao, na tsy misy mahazo manao.
R. Nd.