Mitohy hatrany ny fitsidihana faritra ataon’ny solombavambahoaka Siteny Randrianasoloniaiko sy ny mpiara-dia aminy. Any Sambava, faritra Sava, no misy azy ireo amin’ izao fotoana izao. Nitafa sy niresaka tamin’ny vahoakan’i Sambava izy ireo tao anatin’ izao fitsidihana izao. Noresahina tao anatin’izany ny zava-misy sy ny filan’ny vahoakan’i Sava. Nohararaotina tamin’io fotoana io ny fampahafantarana ny hetsika “Mihava Tour”.
Tonga nihaino sy nitafa tamin’ny vahoaka tao Sambava ny solombavambahoaka Siteny Randrianasoloniaiko sy ny solombavambahoaka miara-dia aminy. Nandritra ny resaka tamin’ny mpanao gazety sy ny vahoaka no nanambarany ny olana eo amin’ny sosialim-bahoaka ankehitriny. Anisan’ny vaindohan-draharaha imasoan’izy ireo ny famahana izany. Tsy mijanona hatreo ny fitetezam-paritra itondrana ny “Mihava Tour” fa mbola hitohy any amin’ny faritra hafa, araka ny nambarany. Efa maro ireo toerana notetezina, toy ny tany amin’ ny faritra Atsimo sy Atsimo Atsinanana iny.
Solombavambahoaka maro sahala amin’i Voninahitsy Jean Eugene, Rabenirina Jean Jacques, Mohamed Ahmad sy ny solombavambahoaka voafidy tamin’iny faritra Vatovavy sy Fitovinany iny no nanotrona azy tamin’izany.
Lin (Mpianatra asa)