“Raha izao isika no mbola hanao fihaonambem-pirenena, voahaja ve ny maha tany demokratika antsika amin’ ny fanajana lalàmpanorenana? Maninona raha tamin’ny herintaona na roa na telo taona lasa tany, ohatra, no nitaky an’ izao na izatsy?” Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny Isika fikambanana miara-dia amin’i Andry Rajoelina (IFI), ny pasitera Razafindramanitra Nestor, manoloana ny mbola fisian’ny fitakian’ny mpanohitra sasany ny hanaovana fihaonambem-pirenena mialoha ny fanatanterahana fifidianana.
Efa be izay fanapahan-kevitra nolaniana tamin’ny fihaonambem-pirenena izay, raha ny nambarany. Mamofompofona krizy hatrany ny hoe fihaonambem-pirenena, nefa tsy misy krizy izao. Hafa ny hoe andao hanao dinikasa hampandrosoana ny firenena na dinikasa momba ny fifidianana. Efa taom-pifidianana izao: fotoana fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy, fanomanana fifidianana amin’ ny hoe: iza avy no hirotsa-kofidina? Eo koa ny fanomanan-tsaina amin’izay fiatrehana fifidianana izay.
Mila hajaina ny lalàmpanorenana
“Fanajana ny lalàmpanorenana sy ny fifandimbiasam-pahefana amin’ny fomba demokratika no zava-dehibe amin’izao”, hoy izy. Nanao ny Ceni raha ny fifampiresahana amin’ny mpisehatra amin’ny fifidianana. Hita ireny dinika ireny izay firosoana amin’ny fanatanterahana ny fifidianana. Eo koa ny fiantsoana ny vahoaka malagasy hijery sy hanamarina ny anarany ao anatin’ny lisitry ny mpifidy.
Nambaranay fa mankamamy ny fifampiresahana sy ny fifampidinihana hatrany izy. Tsy mety raha mbola handany andro amin’izany amin’izao. Ny fitondrana teo aloha, ohatra, no nanao ny lalàm-pifidianana amin’izao. Tratra aoriana ihany raha izao vao hanao fifampidinihana sy fanitsiana lalàna izany. Sa hahemotra ny fifidianana? Tsy vita vetivety ny fanaovana fihaonambem-pirenena sady volabe no lany amin’izany.
R. Nd.