Fiara vaky kodiarana : mpianatra nanao « voyage d’étude » niharan-doza

Niharan-doza ny taksiborosy nitondra mpianatra avy amina oniversite tsy miankina iray eto an-dRenivohitra, teo amin’ny tetezana hidirana an’ Andranofasika, anatin’ny RN4, PK 451 +600, ny alin’ ny sabotsy 15 avrily teo. Vaky ny kodiaran’ny fiara rehefa nihodina ny fiolanana mihazo an’Antananarivo izy ireo. « Ni­tsefotra ny kodiarana hava­nana », hoy ny nambaran’ny zandary nanao ny fanadihadiana. Nanarina izany ny mpa­mily kinanjo nilatsaka tany anaty rano avy hatrany ny fiara. Nivoaka ireo mpianatra ka fito ireo nisy fanaintainana. “Ny efatra tamin’izy ireo no tena nahitana ratra”, hoy ha­trany ny zandary. Etsy anki­lany, nanamafy ny tomponandraikitra eo anivon’io sekoly io fa anatin’ny fanadihadiana marina nahatonga ny loza izy ireo. « Vao manao ny angom-baovao avy amin’ny mpampianatra tomponandraikitra nitondra ireo mpianatra izahay », hoy ny sekretera jeneralin’io oniversite tsy mian­kina io. Hisorohana ny loza tahaka ity kosa, tokony hampiana famantarana manokana satria efa matetika hitrangan’ ny loza io toerana io, raha ny fanamafisan’ny zandary miasa ao an-toerana.

Tsiferana R.

Partager sur: