Noraisim-potsiny! Saron’ ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ampangabe, tao amin’ny fokontany Soamanjaka, kaominina Ampangabe, omaly, ny vehivavy nitondra vola sandoka 140 isa amin’ny ravim-bola 20 000 Ar, izay mitentina 2 800 000 Ar. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, saika nividianany entana tamin’ireo tantsaha mpamboly eny amin’ iny kaominina iny ireto vola sandoka ireto. Nisy tamin’ireo olona no efa naharay vola ka nampandre haingana ny zandary raha nahita ny endrik’ ilay vola somary hafahafa. Mitovy amin’ny vola tena izy rahateo ny vola sandoka. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny fanadihadiana nataon’ ny zandary.
Jean Claude