Tao anatin’ny alina iray, olona roa indray namoy ny ainy niharan’ny fitsaram-bahoaka tao Toamasina, ny faran’ny herinandro teo.
Lehilahy iray voatondro ho nangalatra tao Ankirihiry ny iray tamin’ ireo maty nodarohan’ny fokonolona, ny alin’ny sabotsy 15 avrily teo tao Toamasina. Voasambotra, tsy nisy alaharo ny an’ireo manodidina fa nidaroka niampy tora-bato. Niezaka niaro tena ilay lehilahy voasambotra saingy naratra mafy teo amin’ny lohany. Nisy tamin’ireo tsara sitra-po niantso ny mpitandro filaminana. Nigadona teo an-toerana ny polisy ka naka ilay voadaroka. Naratra mafy ity farany ka tsy tana intsony ny ainy. Ankoatra io, lehilahy iray vao erotrerony koa no maty tsy tra-drano novonoin’ny fokonolona tao amina kaominina ambanivohitra Toamasina, tamin’io fotoana io ihany. Tsy nisy nahita ny namonoan’ny fokonolona azy. Manamafy ny fahafatesany noho ny fitsaram-bahoaka ny fanambarana voasoratra ao amin’ny tranom-paty nahitana ny razana.
Potika tanteraka ny tranom-paty
Mifandraika amin’ireo tranga ireo, anisan’ny mampitaraina ny mponina manodidina ny tranom-paty ao Toamasina. “Tsy misy fikarakarana intsony tato ho ato ny toerana ka miteraka hatezerana”, hoy ny mponina mandraharaha eo amin’ny manodidina. Eo koa ny fofona ratsy avoakan’io toerana io.
Potika tanteraka ny fitaovana anatin’io tranom-paty io. “Fatra-panaja ny razana ny Malagasy ka rariny raha karakaraina io toerana io”, hoy ny mponina ao an-toerana.
Sajo