Noraisim-potsiny! Tratran’ny vela-pandriky ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Alasora (CSP) Alasora ireo andian-jiolahy mpanao fanafihana Cash point amin’iny faritra iny…
Hatolotra ny fampanoavana aorian’ny famotorana ireto andian-jiolahy malaza ratsy amin’ny fanafihana mitam-piadiana ireto. Voarohirohy ho tompon’ antoka tamina fanafihana tompona Cash point iray mipetraka eny Mahitsy Alasora ry zalahy ireto, ny faran’ny herinandro teo. Nanao ny fikarohana sy ny vela-pandrika avy hatrany ny polisy taorian’ izay. Nahitam-bokany izany satria nanao tohivakana ny fahatrarana azy ireo, teny Alasora. Nalefa eny amin’ny polisy misahana ny ady heloka bevava mba hahafahana manohy ny fanadihadiana ireto jiolahy raindahiny ireto. Niainga avy amin’ny angom-baovao no nahafahan’ny polisy nisambotra azy ireo. Nohamafisin’ny polisy fa ireto olon-dratsy ireto koa no tompon’antoka tamin’ny fanafihana maromaro teny amin’iny faritra By-Pass Alasora iny. Nanao antso avo ny polisy ho an’ireo olona mety manan-draharaha mifandray amin’
izany mba hanatona ny sampana fikarohana heloka bevava Anosy. “Manentana hatrany ny vahoaka sy ny mponina eny amin’ny faritra Alasora ka manana ahiahy na olana momba ny tsy fandriampahalemana mba hanatona mivantana eny amin’ny kaomisaria Alasora”, hoy ny fanazavan’ny lehiben’ny CSP Alasora. Afaka miantso ny laharana 034 07 517 19 / 034 05 531 08 ihany koa.
Jean Claude