Tsy nahazaka toaka! Tratran’ny polisy avy ao amin’ny “3ème Compagnie urbaine d’intervention” (CUI) teny Analakely, ny alatsinainy tamin’ny 11 ora sy 45 mn alina ireo lehilahy efatra, nitondra fiara 4×4. Mandrahona hamono hahafaty ireo olona mifanena aminy eny an-dalana ry zalahy ireto, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy. Tamin’io fotoana io, naharay loharanom-baovao marim-pototra ireo polisy manao fisafoana amin’ny alina eny Analakely momba ny fisian’ireo andian-jiolahy mirongo fitaovam-piadiana mandrahona ny hamono hahafaty miaraka amin’ny antsy lavalela. Tsy niandry ela ny polisy taorian’izay fa nidina haingana teny an-toerana. Lasa nandositra niaraka tamin’ny fiara 4×4 avy hatrany ireo jiolahy raha vantany vao nahita ny fiavian’ireo polisy. Tsy lasa lavitra anefa fa voasakana ihany ny fiara nentin’izy ireo. Rehefa natao ny fisavana, olona efatra no tao anatin’ity fiara ity ary mamo avokoa ry zalahy. Nahitana antsy lavalela sy maritoa lehibe roa tao anaty fiara. Nosamborina izy ireo ka nentina eny amin’ny kaomisaria foibe Tsaralalana.
Jean Claude