Ravalitera Jacques Michaël : “Torio ny Ceni raha mandika lalàna”

Nitondra fanazavana manoloana ny tsikera mivaivay mahazo azy ny eo anivon’ny Ceni. Anisan’izany ny momba ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, nahabe resaka tato ho ato.

“Azo sazina ny Ceni raha mandika lalàna, fa tsy resahina fotsiny hoe tsy mety ny ataony. Tsy midika fankahalana izany, fa mi­fampiresaka sy mifampitaiza. Torio ny Ceni raha mandika lalàna. Raha misy zavatra mampiahiahy na mampihazohazo, inona no tsy ha­natonana ny Ceni? Manon­tany izay tsy mazava.” Io ny nambaran’ny mpanolotsaina eo anivon’ny birao maharitry ny Ceni, Ravalitera Jacques Michaël, manoloana ny fitsikeran’ny mpanao politika sasany izay rehetra ataon’ny Ceni amin’izao.
Anisan’ny lesoky ny mpanao politika na ny firaisamonina sivily ny tsy fandraisana andraikitra. Mpa­nara-maso izy ireo, mijery izay mety ho tsy fahalavorariana mifanohitra amin’ny lalàna ary mpanabe olom-pirenena koa. Matetika ny mpanao politika sasany, re­hefa tsy mitovy amin’ny eritreriny ny ataon’ny Ceni, lazaina fa tsy mety fa tsy teneniny hoe tsy araka ny lalàna. Ny dikan’izany, to­kony hamaky lalàna hatrany aloha vao miteny.
“Izay voalazan’ny lalàna ihany no ampiharin’ny Ce­ni”, hoy izy. Tsy resahina sy atao adihevitra fotsiny izay lazaina, fa tokony ho eo ambany mason’ny tena ny lalàna. Ahoana no inoan’ny olom-pirenena fa marina izay lazaina, raha tsy eo ny lalàna? Izay koa no maha mpanabe olom-pirenena azy ireo.

Ilaina ny fandraisana andraikitra

Ao anatin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy izao. Nakatona vonjimaika tamin’ny 11 avrily lasa teo izany. Manana 20 andro ny olom-pirenena hi­jereny sy hanamarinany ny momba azy amin’izay lisitry ny mpifidy izay, manomboka amin’ny nahatongavan’izany eny amin’ny fokontany. Andraikitry ny mpanao politika sy ny firaisamonina sivily ny manentana ny olom-pirenena amin’izany, fa tsy mitazam-potsiny na zara aza misy zavatra tsy mety mba hotsikeraina.
Misy fahazaran-dratsy koa eny anivon’ny fokontany, ka ilaina fanaraha-maso ny ataon’ny lehiben’ny fo­kontany sy ny Vaomiera ifotony misahana ny fanisana mpifidy (CLRE) sasany. Indraindray, rehefa tonga any amin’ny fokontany ny olom-pirenena: anontaniana ny karapanondro sy ny anarana; avy eo, lazaina fotsiny hoe ao izy, fa tsy hamarinina ny momba azy sao misy diso. Misy zarina amin’izay fanamarinana ny momba azy izay ny olom-pirenena.

R. Nd.

Partager sur: