“Aoka isika vahoaka mba ho tony ary tsy hitebiteby. Satria raha tsy mitandrina isika na raha tsy voafehy ny hambompontsika, mety hiteraka loza ho an’ny tanàn’i Sakaraha. Tsy mendrika an’izany ny raiamandreny ao Sakaraha”, hoy ny depiote voafidy tany Sakaraha, Razakandrainy Henri Dominique, momba ny zava-nitranga tao an-tanàna Andasy, ny alin’ny 13 avrily, nisiana fitsaram-bahoaka. Eo ny nisehoan’ny olana fa lasa disadisa teo amin’ny foko Antandroy nanana ny maty sy Antesaka tompon-tanàna nisehoan’ny raharaha. Nefa mpiziva izy ireo.
Efa misy ny fandraisana andraikitry ny fanjakana eo an-toerana ary isaorany. Na izany aza, manao antso avo izy amin’ny maha depiote azy: “Aoka isika hitandro mandrakariva ny fihavanana na filongoa; faharoa, tsy vahaolana ny disadisa na sanatria hanao maso solon’ny maso. Aoka isika hitandro mandrakariva ny firaisam-pirenena.”
Efa nisy ny antso avo nifampiresahany tamin’ireo raiamandreny be sy tamin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny. Koa manamafy ny fiangaviany an-tanan-droa an’ireo tomponandraikitra hijery akaiky ny zava-misy any ifitony izy. Miangavy koa ny fokonolona voakasiky ny raharaha mivantana mba ho ao anatin’ny fifandaminana sy fifanajana, indrindra ho tombontsoan’ny vahoaka ao Sakaraha. Isaorany ny fandaminana izay efa manomboka amin’izao. “Enga anie ao anatin’izany no hanaovana ny hoe tany misy olobe tsy miady zaza”, hoy ihany izy.
R. Nd.