Fanakantsakanana tetsy Amboditsiry: tsy faly amin’ny Freedom sasany Raholdina Naivo

Mbola resaka akanjo sy loko politika hatrany. Nane­ho ny tsy fahafaliany, manoloana ireo mpikambana sa­sany eo anivon’ny antoko Freedom ny depiote Rahol­dina Naivo, omaly. Tezitra mafy ity solombavambahoakan’ny boriborintany fahadimy ity, ny amin’ny ambarany fa fanilikilihana ny mpikambana TGV, miakanjo vonimboasary, miaraka aminy ta­min’ny fitokanana ny Mozea Rainilaiarivony.
Nambarany fa tsy navelan’ny mpikambana Free­dom sasany hanatrika izany, miaraka amin’ny akanjo vo­nimboasary ireo mpiara-dia aminy. “Nisy sasany amin’izy ireo niteny fa tsy tokony hanao loko “Orange”. Izany loko izany anefa no nandaniana ny filoha Rajoelina Andry fa tsy ny loko mena an’ny Freedom. Tanànako aty ka aleo hazava…”, hoy izy.
Nohitsiny fa iarahan’ny rehetra ny fanohanana ny filoha Rajoelina Andry. Nan­teriny fa matanjaka ny vo­nimboasary eny amin’iny faritra nahavoafidy azy iny. Nambarany koa fa andraikitra politika, mandalo izany minisitera izany. Mozea sy TGV ao amin’ny boriborintany misy azy koa ireo. Tokony samy manotrona ary samy manana ny fitafianay sy ny mety aminy io, araka ny nambarany. “Tsy mety izany fihetsika nataon’izy ireo izany… Hanohana ny filoha hatrany izahay aty ary mbola izao loko izao ihany no entinay hampandaniana azy”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: