Nisitraka “kit” ahitana masomboly, zezika organika 125 kg, NPK 11 22 16, 25 kilao ary karatry ny mpamokatra fanamarinana ny maha matihanina ireo tantsaha 360 isa, tao Marovoay. Ny zoma teo, nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny tetikasa “Projet d’urgence de renforcement de la production alimentaire» (Purpa). Hanampy ny tantsaha hahazo masomboly sy zezika ny tetikasa izay hoentina hampitombo ny vokatra sy hialana amin’ ny fiankinandoha amin’ ny fanafarana izany avy any ivelany. «Nosafidiana manokana ny faritra Marovoay hanombohana izany, noho izy sompitry ny vary eto Madagasikara», hoy Ramilison Harifidy, minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana. Notsindriny fa tanjona ny hamerenana ny maha sompitry ny faritra azy sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo.
Ho an’ny faritra Boeny dia maherin’ ny 10 000 ny fianakaviana hisitraka ny tetikasa.
Henintsoa H.