Nanao sidina nanomboka, omaly, teto amin’ny lanitry ny Nosintsika ny Madagascar Airlines rehefa nahazo ny taratasy fankatoavana avy amin’ny “Aviation civile de Madagascar” (ACM). Afakomaly alina, nisy ny fanambarana nataon’ity kaompania ity momba ireo fepetra sy ny dingana rehetra nataony. Ankehitriny, vonona ny hampiroborobo indray ny sehatry ny fizahantany sy ny sidina eto amin’ny lanitr’i Madagasikara ny kaompania. “Hisy ny sidina any amin’ny faritra sy amin’ireo seranam-piaramanidina miisa valo eto amin’ny Nosy. Ankoatra izay, hisy ihany koa ny sidina any amn’ny Nosy Maorisy, La Réunion, sy Kenya ary Frantsa hanatsarana ny tolotra homena an’ireo mpanjifa”, hoy ny fanazavan’i Thierry de Bailleul, tale jeneralin’ity kaompania ity, omaly, tetsy Analakely nandritra ny fihaonany tamin’ireo mpanao gazety. Notohizany fa ATR miisa enina hatramin’izao no hiasa hanao ireo sidina madinika sy any amin’ireo faritra eto an-toerana. Ho tonga mialohan’ny 26 jona izao kosa ny fiaramanidina hafa hanamafy ny sidina mandeha any ivelany. Etsy ankilany, mbola hisy ny fiaramadina hafa hiara-hiasa amin’ity kaompania ity, hoy hatrany ny fanazavana voaray. Hanova indray ny sehatry ny sidina ny Madagascar Airlines. Ankoatra ireo tolotra omeny, mampanantena ity kaompania ity fa lafatra ny kalitao atolony. Ary ho zakan’ny fahefan’ny maro ihany koa ny tolo-bidy omeny. Mizaka tena ny Madagascar Airlines ka tsy mena-mitaha ny tolotra amin’ireo hafa ny tolotra omeny ary hanome fahafaham-po ireo mpanjifa no tanjona napetrany.
Henintsoa H.