Disadisa tao an-tokantrano : nidoboka eny Tsiafahy ilay rangahy nahafaty ny vadiny

Taorian’ny fampanoavana omaly, nidoboka eny Tsiafahy ny raim-pianakaviana iray nahafaty ny vadiny tetsy Ala­sora, ny faran’ny herinandro teo. Niatomboka tamin’ny fisian’ny fananana simba tao an-tokantrano ny disadisa teo amin’izy mivady, ny alahady teo. Niakatra ny hafanam-po teo amin’izy mivady. Nitady toaka ary nisotrosotro izany io raim-pianakaviana io. Tsy vitan’izay, nidoroka rongony koa izy. Poa toy izay, niverina nody tao an-tokantrano ny lehilahy. Nokorontaniny anefa ny vadiny. Raikitra ny fikasihan-tanana. Vokatry ny fikasihan-tanana, nisaraka efitra izy mivady ireto. Samy natory ny alina. Noho ny maraina, namoy ny ainy vokatry ny daroka sy vono nahazo azy ilay ramatoa. Niroso tamin’ny fanadiha­diana ny mpitandro filaminana. Voasambotra avy hatrany ilay nahavanon-doza. Tsy niandry ela, natolotra ny fampanoa­vana ny alatsinainy teo io raim-pianakaviana io. Nai­ditra eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy vonjimaika izy miandry ny fotoam-pitsarana azy.

Tsiferana R.

Partager sur: