Fanabeazana ihany

Tsy mampaninona na mitoriteny an-tany efitra aza sy hitatatata andro aman’alina eto, mba hampitsaharana ny endri-pahalovan’ny fiarahamonina malagasy, ankehitriny. Raha nivoy ny zava-panahy sy ny hasina maha olombelona isika tanaty andro maromaro izay, andao mba horesahana ny tontolon’ny fanabeazana. Anisan’ny sehatra iray tsy azo hamaivanina izany. Tsy maintsy homen-danja ary ho hindra­hindraina aza ny mpitondra ilay vahaolana mifanaraka amin’ny fototr’olana.
Iaraha-mahita, potehina tanteraka ny tontolon’ny fampia­narana sy ny fibeazana eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Ireo miankina amin’ny fanjakana io efa iaraha-mahita, fa na dia maimaimpoana aza ny fianarana,  tsikaritra ho nihena ny mpiady fanadinam-panjakana. Torak’izany ny eny amin’ny fampianarana ambony, lany amin’ny fitokonana sy fitakiana ny taom-pianarana. Tsy hita izay vokatra mivaingana.
Ny sekoly tsy miankina, izay zary fanaovana « bizna » ny ankamaroany. Natao fitangosana vola amin’ny ray aman-dreny ny karazam-piofanana misy, izay tsy miantoka akory ho avy mamirapiratra, araka ny dokambarotra. Hatramin’ny sekoly lehibe, heverina ho manana ny maha izy azy eto amin’ny firenena aza izao efa andrenesam-baovao: kolikoly sy kitranoantrano, hatramin’ny fanakalozana ny naotin’ny ankizy ( ?).
Inona anefa no mahatonga izany ? Tsy azo atao ny manome tsiny be fahatany ireo mpiantsehatra amin’ny tontolon’ny fanabeazana satria miaina anaty manontolo lehibe iray izy ireo. Mifaningotra na ny fotodrafitrasa, ny resa-bola, indrindra ny politikam-pirenena mikasika ny fanabeazana. Tsy misy afaka ny handeha irery na haningana. Rehefa misy mikatso ny iray, mazava ho azy mihitsoka ny hafa. Tsy maintsy mifampiankindoha ny singa mandrafitra ny tontolon’ny fanabezana.
Tsy afa-miala, araka izany, ny eo anivon’ny minisitera telo tonta, miandraikitra ny fampianarana dia ny Ambaratonga fototra sy faharoa, ny Fampianarana teknika sy fiofanana arakasa, ary ny eny amin’ny Fampianarana ambony. Mila mijoro sy mamerina ny fanabeazana amin’ny toerana sahaza azy fa tsy mijanona ho mpanao politika fotsiny. Tsy ampy ny fanenjehana velirano araka isa sy ny fotodrafitrasa « manara-penitra ». Mitaky kalitao sy fanomezan-danja ilay tolotra amin’ny fam­pianarana, andaniny. Mila fanomezam-boninahitra ny mpanabe izany, ankilany.
Tsy afaka ny handroso sy hanana fiarahamonina milamina isika raha mbola atao ambanin-javatra ny mpampianatra sy ny fampianarana. Manoloana ny odidina misy amin’izao fotoana izao, anisan’ny teboka tsy maintsy jerena akaiky ny momba azy ireo. Tsy tokony hatao vato misakana ny vola sy ny hoenti-manana fa ilay finiavana no zava-dehibe. Mitaky fanohanana ny tontolon’ny fanabeazana mba hialana amin’ny zava-doza misisika tsikelikely anaty fomba fianana mahazatra ny Malagasy. Io ihany no vahaolana !

r.r

Partager sur: