Miantraika betsaka eo amin’ny fambolena ny fahasimban’ny tontolo iainana. Iatrehana izany, misy ny tetikasa « Paysage durable dans l’Est » hanentanana ny tantsaha hamokatra sy hanarenana indray ny nofontany sy hanatsarana ny velontenan’izy ireo.
Fampirisihana ny tantsaha hanao voly mampidi-bola sy hatao sakafo izay hanampy amin’ny fanatsarana ny nofontany. Ireo no tanjona napetraky ny tetikasa «Paysage durable dans L’Est de Madagasacar» mandritra ny dimy taona, taom-piasany. Tsapa tokoa mantsy fa mirongatra ny fanimbana ala eto amintsika tato anatin’ny fotoana vitsy. «Tsy sitrapon’ny tantsaha izany fa noho ny fahantrana, eo ihany koa ny fiakaran’ny vidim-piainana ka sarotra ny fitadiavam-bola. Manampy trotraka izany ny fiantraikan’ny Covid-19 teto amintsika izay nampihena betsaka ny fidiram-bolan’ny tantsaha», hoy ny fanazavan’ ny talen’ny tetikasa «Paysage durable dans l’Est de Madagascar», Rakotobe Zo Lalaina, omaly, tetsy Antaninarenina. Mbola isan’ireo nanimba ny sehatry ny fambolena ihany koa ny fiovan’ny toetr’andro sy ny tsy fahampian’ny rotsakorana hoy izy.
Tsy ampy manaraka izay ny fahafahana mamokatra noho ny figaingainan’ny masoandro. Hanarenana indray ny tontolo iainana, hanatsarana ny voly sy ny vokatry ny fambolena no antony nahatonga ny tetikasa. Hampahafantarina amin’izany ireo zava-bita, ny atao manaraka, sy ny olana ary ireo fanatsarana tokony hatao.
Voka-tsoa
Nahitam-bokany sahady ity tetikasa ity hatramin’ny nanombohany ny taona 2018. Nitombo ny vokatra azo tamin’ ny fambolena taorian’ireo teknikam-pamokarana nampianarina ireo tantsaha. Nihatsara ny nofontany, nahafahana nampitombo ny ambaindain’ ny asa atao. Voalaza tamin’ izay ny voly vary sy jirofo ary kafe. Mahatratra 23.000 tokantrano nametrahana ny tanjona. 14.000 tamin’izay no efa nahazo tombontsoa raha toa ka efa nahazo fiofanana saingy tsy mbola nahazo tantsoroko eo amin’ny ambioka kosa ny 17.000 hafa. Nahatratra 12 tapitrisa t ny entona mangeja hafanana nihena taorian’ny fiaraha-miasa tamin’ireo mponina eny ifotony. Eo ny fisafoana ala, tsy fanimbana ala ary ny fambolen-kazo natao nanahenana izany.
Henintsoa Hani