Kamio mahazaka hatramin’ny 10t miisa efatra, moto 25 ary Bajaj miisa 10. Ireo no fampitaovana azon’ny paositra malagasy, omaly, avy amin’ ny “Union postale universelle” (UPU), mba hanatsarana ny tolotra omena ny mpanjifa manerana ny Nosy. “Mariky ny fanatsarana sy porofo ny fahatokisan’ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena momban’ny asa ataon’ny paositra malagasy izao fampitaovana izao”, hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny haitao ara-kajy mirindra, Razafindramalo Tahina. Tanjona amin’izao ny hanatsarana ny kalitaon’ny fandefasana sy fandraisana entana ary taratasy eo anivon’ny paositra malagasy.
Araka izany, hiasa any amin’ny faritra avaratry ny Nosy ny kamiaobe miisa roa raha toa ka any amin’ny faritra atsimo kosa ny roa hafa. Ireo moto hisehatra eo amin’ ny “e-commerce” sy hiasa eto andrenivohitra. Ireo bajaj, hanampy amin’ny fizarana ireo entana any amin’ny toerana lavitra. “Sambany ho an’ity orinasam-panjakana ity ny fahazoana fitaovana goavana toy izao”, hoy ny tale jeneralin’ny paositra malagasy, Ranarison Richard. Notohizany fa mbola ho avy ny andiany manaraka amin’ izao fampitaovana izao.
Ankoatra ity, nahazo solosaina 40 isa, “panneaux solaires” 40 ary “box internet” 40 avy amin’y firenena japoney, mitentina 80.000 USD ihany koa ny biraon’ny paositra malagasy. Natao izao ho fampitomboana isa ny Malagasy misitraka ny karazana tolotra ara-bola misy (inclusion financière) sy ny kalitaon’ny asa.
Henintsoa H.