Nirefodrefotra ny basy nandritra ny fifanenjehana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny jiolahy tetsy Andavamamba sy Analakely, afakomaly alina. Jiolahy raindahiny roa mpamerin-keloka maty.
Hatairana ny naharenesan’ny mponina eny Andavamamba ny poa-basy nahafatesana jiolahy raindahiny, ny alin’ny alakamisy, tamin’ny 7 ora sy sasany mahery teo. Efa nifanenjehan’ny mpitandro filaminana avy any Namontana ny olon-dratsy iray. Tonga teo amin’ny fasika akaikin’ny tetezana mihazo an’Andavamamba, nirefotra ny basy. “Maty ny iray tamin’ireo jiolahy”, hoy ny fanazavan’i Lalaina, mponina mipetraka eo akaikin’ny nitrangan’ny fifampitifirana. Sarona teny amin’ity olon-dratsy lavo ity ny basy kilalao saika hoentiny hanao ny fanendahana. Noho ny andro efa maizina, tsy nisy nahita maso ireo manodidina sady raiki-tahotra noho ny feom-basy.
Iray hafa maty tetsy Analakely
Mpamerin-keloka iray hafa koa lavon’ny mpitandro filaminana tetsy Analakely, afakomaly alina. Efa voasambotry ny polisy ny taona 2022 teo Ambohijatovo niaraka tamin’ny antsilava ity jiolahy ity. Naiditra am-ponja izy ka nivoaka taorian’ny fahavitan’ny saziny. Nanohy ny asa ratsiny indray anefa izy. Nifanenjehana ka voatifitra ary naratra. Niverina nigadra saingy tafavoaka ary izao namerina fanintelony ny fanaony izao. Vokany, maty tsy tra-drano.
Mandoto tanàna
Araka ny fanamafisan’ireo mponina Andavamamba, tsy olona monina eny amin’izy ireo velively ireo jiolahy tra-tehaky ny mpitandro filaminana, toy ity niseho afakomaly ity. “Eto amin’ny manodidina, misy mitondra antsilava na atoandro na alina ka arahiny ireo mpandeha mitondra poketra”, hoy ny solontenan’ny mponina manodidina. Tsy mifidy ireo olon-dratsy, ataony avokoa ireo mpandalo na atoandro na alina. Samy sahirana amin’ny fivelomany anefa ny tsirairay ka hany fanantenan’izy ireo ny mpitandro filaminana.
Tsiferana R.