Vono olona : mpiambina taloha, ahina ho nahavanon-doza

Mbola mitana ny sain’ny maro ny raharaha momba ilay vono olona mahatsiravina ni­seho teny Ambatolampy Tsi­mahafotsy, ny talata teo. Raim-pianakaviana iray 63 taona no maty tamin’ny fom­ba feno habibiana. Lasan’ireo tsy mataho-tody ny moto marika Peter 250 cc sy ny findainy. Fantatra kosa amin’izao fa efa “tracé” manodidina an’i Talata Volonondry ny findain’ny maty. Tsiahivina fa namonjy hijery ny tranony vao amboarina eny Ambato­lam­py Tsimahafotsy ny anton-dian’ity raim-pianakaviana sady mpiasam-panjakana misotro ronono ity. Niala tao amin’­ny trano fonenany etsy Manjakaray izy ny marainan’io ka nitondra ny sakafo atoandrony. Fanaony rahateo ny mitsidika sy mikarakara ireo voninkazo eny satria tsy misy mpiambina ny toerana. Tokony haka ireo zafikeliny mirava amin’ny 3 ora sy sasany tolakandro eny Ivandry izy saingy tsy tonga. Tsy tratra antso intsony ihany koa ny findainy ka namonjy azy teny Ambatolampy Tsimahafotsy ireo akaiky azy. Gaga ny rehetra raha nahita ny vavahady nisokatra. Ilay raim-pianakaviana kosa hita nitolefika teo amin’ny tohatra nihosin-dra. Nisy dian’antsy ny tanany ary nivonto mangana ny masony. Nentina vonjimaika teny amin’ny toeram-pitsaboana izy saingy tsy tana intsony ny ainy. “Ahina ho nahavita ity habibiana ity ny mpiambina niasa tao aminy taloha satria izy ihany no mahay ny fomba fanokafana ny vavahadin’ilay trano”, hoy ny fianakaviany. Tanterahina anio any Ma­rosahona Manjakandriana ny fandevenana ny nofo mangatsiakan’ity mpiasam-panjakana misotro ronono ity. Hitohy aorian’izay ny famotorana ataon’ny zandarimaria.

Henintsoa Hani

Partager sur: