Samy milomay ! Manao izay ho afany avokoa ny ankolafin-kery politika ankehitriny. Anisan’ny manao befiavy ny mpitondra. Manao angaredona manerana ny Nosy. Taorian’ny tapany avaratra sy tany Amoron’i Mania, any atsimo indray ny fotoana manomboka anio. Eo ny resaka lalam-pirenena faha-13, fa anisan’ny anton-dia ny resaka ady amin’ny kere. Zava-dehibe roa amin’ny fivoaran’ny tontolo politikan’ny Filoham-pirenena rahateo ireo. Fanadinana ho azy amin’ny fifidianana ny vokany azo tsapain-tanana. Manala vava ny Filoha sy ny mpomba azy, indrindra natao ho ren-tany ho ren-danitra ilay izy.
Tsy maintsy misikimponitra ny ekipan’ny Filoham-pirenena, anatin’ny fanamby napetrany. Faritany anisan’ny be mpifidy rahateo i Toliara, aorian’i Matsiatra Ambony sy ny renivohitra. Vato tsy azo tsinontsinoavina ny any atsimo. Mpifidy tsy azo ambakaina ihany koa na heverina ho ao anatin’ny fahasahiranana ara-toekarena sy sosialy aza. Azo lazaina fa hoavin’i Madagasikara izy na fambolena na fizahantany. Tsy mijanona hatreo, fa mahasarangotra seha-pihariana sy politikam-pampandrosoana marolafy.
Ny fanadihadiana natao aman-taonany no ahatsapana fa misy finiavana hiala amin’ny fahantrana ny mponina. Olana fotsiny ny filalaovan’ny mpanao politika sy ny fikambanana tsy miankina isan-karazany. Ataon’olona fakana famatsiam-bola amin’ny tetikasa mandalo fotsiny hatrizay. Mitady lamina maharitra anefa ny mponina, mitaky vahaolana azon’ny besinimaro higohana tombontsoa iraisana sy iombonana.
Vahoaka tonga saina, tsy azo ambakaina ny any atsimon’ny Nosy. Izay indrindra no tokony hahamailo ny mpilatsaka hofidina. Tsy fakana vato sy fametrahana birao fandatsaham-bato matoatoa intsony any. Mitaky ny fametrahana azy ho mpisehatra fototra amin’ny lafiny rehetra ny vahoaka any ifotony: toekarena, politika, sosialy, sns. Fahadisoan-kevitra ny fiheverana fa ilay sahiran-dava, tsipazan-kaninkely izy ireo.
Efa miova rahateo ny hodidina any atsimon’ny Nosy. Na morontsiraka aza izy efa misy fotodrafitrasa mahasarika mpizahatany. Efa misy voly legioma sy fambolena manara-penitra any an-toerana. Tsy lazaina intsony ny fahazotoan’ny ray aman-dreny mampiana-janaka. Ny fikajiana fahasalamana izany moa efa vaindohan-draharahan’ny isan-tokantrano.
Raha fehezina, mivadika tsikelikely ny rasa eto Madagasikara. Tokony samy hahatsapa tena amin’ny fampandrosoana isam-paritra ny rehetra eny ifotony, tsy ho mora ampiesonin’ny mpanao politika. Miainga avy any amin’ny fototra ny fanarenana tena izy !
r.r