Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra farany teo ny tetikasa bankin’ny paositra. Hisokatra ny volana jolay izao izany ary kendrena handrakotra ny biraon’ny paositra malagasy 250 isa manerana ny Nosy.
Mitohy hatrany ny asa ataon’ny minisiteran’ny fampiroboroboana sy fanovana haitao ara-kajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra. Tapaka taorian’ny filankevitry ny minisitra, ny talata teo, ny fametrahana ny bankin’ny paositra. Voalaza tamin’izay ny fankatoavana ny modely ara-toekarena amin’ny firosoana ny fametrahana ity tetikasa ity. Tsiahivina fa nankatoavina ny 18 mey 2022, nandritra ny filankevitry ny minisitra ny fangatahana ny tetikasa. Taorian’izay, nisy ny asa nataon’ny minisitera tomponandraikitra, ny paositra malagasy, ny vaomiera fanaraha-maso ny banky sy ny fandraharahana ara-bola. Nandray anjara tamin’izany ihany koa ny mpiara-miombon’ antoka, tahaka ny “Société nationale de participations” (Sonapar), nandinika ny fomba mety hatao hampiroboroboana ny asan’io bankin’ny paositra io.
Microfinance
Tapaka tamin’izay fa hanao ny asa famatsiam-bola madinika sy ny fikirakirana vola elektronika aloha ny banky ao anatin’ny fohy ezaka. Hiroso indray amin’ny antonony ezaka amin’ny fanaovana ny asan’ny banky madinika mahazatra. Fantatra fa mila fampiasam-bola goavana ny tetikasa ankoatra ny loharanom-bola manokan’ny paositra malagasy. Araka izany, handray anjara ihany koa ny Sonapar, araka ny tatitry ny filankevitry ny minisitra hatrany. Notohizany fa iantohan’ ny paositra malagasy ny 65% -n’ ireo petra-bola ilaina amin’ny renivola, raha avy amin’ny Sonapar kosa ny 35%-n’ izany. Hisokatra afaka volana vitsy manerana ny biraon’ny paositra malagasy 250 isa ity tetikasa ity. Apetraka amin’ ireo biraon’ny paositra an-tanan-dehibe 28 aloha ity tetikasa ity. Hitohy amin’ireo biraon’ny paositra amina tanàna 120 kosa izany amin’ ny taona 2024. Ary kendrena ho voarakitr’izany ireo biraon’ ny paositra 250 manerana ny Nosy hatramin’ny faran’ny taona 2024.
Henintsoa Hani




