Fifanakalozan-kevitra : jerena ny fampidirana herinaratra ambani­vohitra

Anisan’ny teboka mampandroso ny toerana iray ny fisian’ny herinaratra. Loha­ranon’ny fanodidina ny asa izy ary anisan’ireo miantoka ny fandriampahalemana. Araka izany, nisy ny dikina sy fifanakalozan-kevitra nataon’ny ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Andriamanam­pisoa Solo, sy ny delegasiona avy amin’ny « Kreditanstalt für Wiederaufbau » (Etablis­se­ment de crédit pour la reconstruction) na KFW avy any Alemana, ny alarobia teo, teny Ampandrianomby. Voa­dinika tamin’izay ny fampidirana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra. Betska ihany koa ny teboka hafa voaresaka nandritra izany. Ani­san’ireo nandray anjara ta­min’ity dinika ity koa ireo tomponandraikitra eo anivon’ ny ADER sy GIZ. Tao ihany koa ireo delegasiona samihafa avy amin’ny KFW.

Henintsoa H.

Partager sur: