Soavinandriana : tovolahy nanolana vaviantitra nidoboka am-ponja

Noteren’ny filan-dratsiny, nidoboka am-ponja vonjimaika ny lehilahy iray saika hanolana ramatoa 70 taona tao Ampitsaharana, Soavinandriana, afakomaly. Niditra an-keriny tao amin’io vaviantitra io ity mpanolana ity. Noferany tsy hiloa-bava ilay ramatoa. Notolominy teo ambony fandriana avy hatrany ity farany. Niezaka hiala saingy tsy afa-nanohitra ny tan­jak’ilay lehilahy izy. Nora­honany hovonoina io va­viantitra io raha toa ka miantso vonjy amin’ny ma­nodidina. Fantatr’io lasibatry ny herisetra io anefa ny endrik’ity nahavanon-doza. Nanao fitarainana teny anivon’ny mpitandro filaminana izy. Tsy niandry ela, niroso tamin’ny fisamborana ny polisy. Vokany, voasambotra ilay lehilahy. Niaiky tokoa izy fa nanao ireo fihetsika ireo nanoloana io vaviantitra io noho ny filan-dratsiny. Natao fanadihadiana, nidoboka am-ponja vonjimaika izy.

Tsiferana R.

Partager sur: