Tratra nangalatra omby, nifanenjehan’ny fokonolona ka niharan’ny daroka sy vono ny dahalo iray tao Ambalavelona Kianga, Kaominina Ambodiamontana, distrikan’i Mandritsara, afakomaly. Nalainy an-tsokosoko ny omby telo tao amin’ny tanàna atao hoe Ankotsohotso sy ny omby iray hafa tao Ambalavelona. Nampandre ny fokonolona ny tompon’ny omby very. Natao ny fivoriana ka nanara-dia avy hatrany ireo tompon-tanàna. Sarona tao an-toerana niaraka tamin’ireo omby efatra nangalariny io dahalo io. Nofirain’ny fokonolona zava-maranitra ny sandriny ka rovitra. Tsy vitan’io, nidaroka ary nanampatra ny hatezerany ireo nahasambotra azy. Nentin’ny fokonolona tsara sitra-po niakatra tao amin’ny tanànan’i Mandritsara ity dahalo ity hiarovana ny ainy.
Tsiferana R.