Nivadika teny ivelan’ny arabe ny fiara nitondra razana, niharan’ny fanakanan-dalana, tao Manerinerina, anatin’ny lalam-pirenena fahefatra, afakomaly. Avy any Mahajanga, nikasa hihazo an’Antananarivo ity fiara tra-doza tampoka ity. “Nisy nametraka hazo lehibe teo afovoan’ny lalana ka niezaka niala izany ny mpamily”, hoy ny fanazavan’ny kapiteny lehiben’ny zandary ao Ankazobe. Nivoaka ny lalam-pirenena ny fiara ka nifatratra tany anaty bozaka. “Olona roa tamin’ireo mpandeha tao anatin’io fiara nitondra razana io no naratra”, hoy ny fanamafisan’ny zandary. Tsy nisy nahiana ny fahasalaman’izy ireo taorian’ny fanarahany fitsaboana. Tsy hita popoka ny olona nametraka ilay fanakanan-dalana. Araka ny nambaran’ny mpamily, tsy nahita maso ny olona saika handroba azy ireo izy. Mivezivezy manao fanaraha-maso ny lalam-pirenena eny amin’iny faritra iny ny zandary amin’izao fotoana.
Tsiferana R.