“Pipeline Efaho”: hampandroso ny lafiny toekarena sy ny sosialim-bahoaka

Hitarika rano 15 tapitrisa metatra toratelo (m3) isan-taona amin’ny reniranon’i Efaho sy hanondraka tanim-pambolena hatramin’ny 80.000 ha ny “pipeline Efaho”. Hanova ny faritra Atsimo ity tetikasa ity ka hanome rano madio fisotro ho an’ny mponina 500.000.

Voakasiky ny haintany miverimberina ny faritra atsimon’ny Nosy, izay miantraika betsaka amin’ ireo mponina marefo, ny vehivavy ary ny ankizy. Araka izany, namolavola ny tetikasa “pipeline Efaho”ny ministe­ran’ny Rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana. Notonto­saina ny sabotsy teo, tany Ambo­vombe, faritra Androy ny fa­nombohana ny tetikasa. Hita­rika rano avy eo amin’ny reniranon’i Efaho avy ao Esalo, faritra Anosy ity pipeline ity. Hanampy ny toerana manodidina izany fa indrindra ny faritra Androy sy ny tanà­nan’ Ambovombe. Natao izao ho an’ny tombontsoan’ny mponina sy ny fizakan-tenany.

Anisan’ny kendren’ity tetikasa ity ny fampitomboana ny fahazoana mampiasa rano sy misitraka rano fisotro madio. Ankoatra izay, ny fanatsarana ny lafiny sosialy sy toekare­nan’ny mponina any an-toerana. Eo koa ny fiarovana sy ny fahaiza-mampiasa ny tahirin-drano ary ny fanamafisana ny fahaiza-miatrika ny fiovan’ny toetr’andro.
Ampivoatra ny toekarena

Hampiroborobo ny fiainan’ ny mponina ity tetikasa ity noho izy hitondra rano fisotro madio sy rano ho an’ny fambolena sy fiompiana. Ahitana fantsona laharandroa mirefy 97km ho amin’ny fampiasana marolafy ny rano ny pipeline. Miainga avy ao Esalo, faritra Anosy izany ka hipaka ao amin’ny tanànan’Ambo­vombe, faritra Androy. Araka izany, hamakivaky tanàna 60 isa ao anatin’ny distrika telo ny fan­tsona. Tafiditra amin’izany i Taolagnaro, Amboasary atsimo, Ambovombe. Mbola hanondraka ny lemak’i Sampona sy Maroalopoty ary Maroalo­mainty ihany koa izy.

Tanjon’ny tetikasa ny hitarika rano hatramin’ny 15 tapitrisa metatra toratelo isan-taona avy amin’ny reniranon’i Efaho, izay tombanana ho 2 %-n’ny tahirin-drano eo amin’ ny renirano. Hisitraka rano fisotro madio avy amin’izany ny mponina 500.000. Tany fambolena mirefy 80.000ha ho voatondraka. Hisy ihany koa toerana fampisotroan-drano 120 ho an’ny biby fiompy.

Henintsoa Hani

Partager sur: