Nangata-bola dia tsy nahazo… : nokapainy tamin’ny antsibe ny tanan-dreniny

Tena efa biby mihitsy! Ifam­pitadiavan’ny zandary amin’izao fotoana izao ilay tovolahy nahavita nikapa ny tanan-dreniny tamin’ny antsibe tao Tsimaitohosoa Atsi­nanana, kaominina ambanivohitr’i Mahaditra, distrikan’i Vohibato, afakomaly hariva , tamin’ny 7 ora sy 30 mn. Tapaka mihitsy ny tanan’ity renim-pianakaviana ity noho ny herisetra nataon-janany azy. Araka ny tatitra nampitain’ny zandary, nahazo antso avy amin’ny lehiben’ny fo­kontany Tsimaitohosoa Atsi­na­nana izy ireo momba ny fisian’ity renim-pianakaviana maratra mafy eo amin’ny tanany ity noho ny ratra niniana nataon-janany azy. Nidina tao amin’ity tanàna ity avy hatrany ny zandary taorian’izay ka voamarina tokoa ny fisian’ity vono sy ratra niniana natao ity. Voalazan’ny tatitra hatrany fa Mamo ity zanany 28 taona ity, monina ao Ambalabe Ambany ka nokapainy tamin’ny fibara (Antsibe) teo amin’ny tanany havia ny reniny ka nitarika ny fahatapahan’ny taolana. Nan­gataka vola tamin’ny reniny izy ka rehefa tsy nanome izay notadiaviny io reniny io, nalainy ny fibara ka nokapohiny ny tanany ka tapaka avy hatrany. Nandositra ilay nahavanon-doza rehefa velona ny koka sy nihamaro ireo olona teo an-tanàna. Nentina nihazo ny CSB2 Asabotsy/Mahaditra ilay naratra ka efa nahazo fitsaboana. Misokatra, araka izany, ny fanadihadiana ataon’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Mahaditra momba ity raharaha ity. Efa nantsoina avokoa ireo fianakaviany mety hiafenany mba hampandre haingana ny zandary mba hahafahana misambotra azy.

Jean Claude

Partager sur: