Rongony milanja 703, 150 kg saron’ny zandary tao Manakara, omaly.
Nahazo loharanom-baovao avy tamina tsara sitra-po, nanao fisafoana tao an-tampon-tanàna ny zandary ao an-toerana izay tarihin’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Manakara, ny kapiteny Rakotomalala Judicaël. Tra-tehaka tao an-drenivohitra ny ampahany tamin’ireo zava-mahadomelina ireo. Nofongarina tany amin’ny kaominina hafa toy ny Sahasinaka, Lokomby, Ampasimanjeva kosa ny sasany. Olona folo voasaringotra tamin’ity raharaha fivarotana rongony ity. Rehefa natotalin’ny zandary nanao famotorana sy ny fisamborana, mahatratra 40 gony ireto rongony voaangona ireto. Kasaina hamidy any amin’ny faritra hafa ireto entana ireto ka izao sarona izao.
Naiditra am-ponja ny iray
Tamin’ireo olona folo voasambotra, efa naiditra am-ponja vonjimaika ny iray. Aorian’ny fanadihadiana lalina atao azy ireo kosa, atolotra ny fampanoavana ireo namany hafa. Vehivavy ny efatra tamin’ireo folo voasambotra ireo. Mpiray tsikombakomba amin’ny fihazonana sy ny famarotana ireto zava-mahadomelina ireto izy ireo. Manentana hatrany ny fokonolona eny ifotony hampihatra hatrany ny Tagnamaron’ny fandriampahalemana ny zandary, hahafahana mamongotra ireo olon-dratsy.
Tsiferana R.