Mifamahofaho

Tsy hita beny ihany ity raharaham-pirenena ity ! Fanina ny mpitazana mijery ny fihetsiketsehana teknika sy politikan’ny mpikirakira izany. Mifaninana amin’ny famoriam-bahoaka mandritra ny fitetezam-paritra. Manginy fotsiny ny fitetezana ireo firenena tombanana ho manana fahefana amin’ny fifehezana ny jeopolitika iraisam-pirenena. Samy mampidera fa manana ny holaniana, hisehosehoana etsy sy eroa.
Izay indrindra anefa no mahavariana. Tsy misy mitondra vahaolana azo tsapain-tanana mivantana amin’ny kirizy sosialy sy toekarena iainana ankehitriny izy ireny. Tsy manana paikady maharitra sy mahakasika ny fahoriam-bahoaka fa manam-bola amina miliara kosa hoenti-midehaka fa mahazaka, hitondra firenena. Tsy manana hevitra sy drafitra saingy manana hanaovana « rendrarendra » sy « werawera ». Tsy mahakasika fototr’olana fa mainka aza mamboly olana fanampiny, satria toa « fandatsana » ny olona maty noana sy zara fa mahita hatokona isan’andro ny zava-misy.
Marina, misy ny sasantsasany izay miasa mangina sy mitondra fandaharanasa vaovao saingy olona efa nihosina sy niaraka tamin’ny mpitondra rehetra nifandimby. Zava-dehibe ny finiavana sy fahatsapana fa mila hevi-baovao ny Malagasy. Mila fomba fijery miala amin’ny mahazatra sy ny toe-java-misy i Madagasikara
Raha ny fivoaran’ny politika, efa manimanitra fifidianana tokoa i Madagasikara. Efa milomano anatin’ny sava lalana ho any amin’ny fampielezan-kevitra ny herivelona rehetra. Efa anatin’ny fikofokofohana eny ifotony ny vahoaka madinika sy ny komity mpanohana. Efa mandeha ny fifaninanana sy fifampihantsiana ary ny fingampingana.
Indrisy anefa ! Raha ny vaovao farany voaangona, mbola tsy hisy izany ny fifidianana amin’ity taona ity. Araka ny fampitam-baovao nomen’ny loharanom-baovao samihafa, mbola anatin’ny kajikajy ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Mitady ny fomba mbola tsy handehanan’ny fifidianana aloha, mba hisorohana ny mety hisian’ny disadisa aorian’ny famoahana ny vokatra. Izay no mampihitsoka ny famoaham-bola hoentina manatanteraka izany.
Mipetraka ny fanontaniana amin’ny anjara toerana misy ireto fianakaviambe iraisam-pirenena ireto. Firenena mahaleo tena rahateo i Madagasikara. Mazava ho azy fa firenena manana ny maha izy azy amin’ny resaka jeopolitika maneran-tany, tsy havelan’ny vahiny handeha ho azy izany ny zava-misy eto amintsika.
Marihina fa na eo aza io toeran’ny fianakaviambe iraisam-pirenena io, manana ny lamina sy drafitrasany ny fitondram-panjakana. Heno fa miezaka ny mikarakara fifidiana amin’ny kely eo am-pelatanana ny Ceni sy ny fanjakana. Mety tsy ho ampy ny enti-manana ka izay no mampihisatra azy ity. Ny fitondran’ny filoha Rajoelina Andry rahateo efa nahay naka lesona. Tsy hanao zavatra tsy hahazoana fankatoavana iraisam-pirenena toy ny tamin’ny Tetezamita intsony. Mazava ho azy, tsy maintsy hilefitra, hanaraka ny onjan’ny filan’ny vahiny izay mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka.
Manoloana izany, ilay vahoaka madinika ihany aloha no mahita faisana. Raha mbola hiitatra aman-taonany izao fitondrana izao, mbola hitarazoka koa izany ity fahantrana lalina ity ? Handrasana izay havoakan’ny ampitso fa ny azo antoka…baraingo ny mahakasika ny fifidianana.

r.r

Partager sur: