Fiara – Zo : Iadiana amin’ny kolikoly

“Tsy araka ny eritreretina hoe an’ny manam-bola ihany ny fitsarana. Endrika iray hanehoana ny hetsika fa tsy fanasaziana ihany ny fitsarana, fa natao hampianatra zo sy lalàna koa. Eo indrindra isika izao: ady amin’ny kolikoly. Rehefa mahafantatra zo sy lalàna ny olona, sarotra kokoa ny hahavoafitaka azy amin’ny kolikoly.”
Io ny fanazavan’ny minisitry ny Fitsarana, Randria­manantenasoa Landy Mbo­latiana, tamin’ny fanombo­han’ny hetsika Fiara-Zo tany amin’ny kaominin’i Talata Volonondry, omaly.
Enti-miady amin’ny mpijirika eny anivon’ny fitsarana koa ny hetsika. Misy ny velirano fahatelon’ny filohan’ny Repoblika amin’ny ady amin’ ny kolikoly. Eo koa ny hoe fi­tsarana tsy mitanila, ny politikam-panjakana amin’ny fi­ton­drana manakaiky vahoaka.
“Amin’ny alalan’ny Fia­ra-Zo no entin’ny minisiteran’ ny Fitsarana manatanteraka an’izany”, hoy izy. Misy ny fampahafantarana ny zo sy ny lalàna, ny ahasahian’ny va­hoaka manontany sy ahazoany manao fitarainana koa avy hatrany ny mpitsara, mpisolovava, mpirakidraharaha, mpan­draharaha fonja, notera….
Tsy hoe manasazy ihany ny fitsarana fa misokatra sy manakaiky vahoaka koa. Tsy hoe voavaha eo no ho eo avokoa ny olan’ny vahoaka mom­ba ny raharaham-pitsarana, fa asaina hanatona ny fitsarana izy. Misy ny paikady tsy maintsy iantsoana ny andaniny, fa tsy mivaha avy hatrany ny olana.
Ny zava-dehibe dia ny fahafantaran’izay manan-draharaha amin’ny fitsarana izay lalan-kizorany avy hatrany.
Any Anjozorobe ny ivony anio, fa nandalo tao Talatan’i Volonondry sy Ankazondandy.

R. Nd.

Partager sur: