Ravalo tao Ambanja: “Hajaina ny fenitra demokratika”

Nitohy tany Ambanja ny dian’ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, omaly. Nentaniny hatrany hanamarina ny anarany na hisoratra any amin’ny fokontany ireo mpifidy. Noha­zavainy koa anefa ny momba ny fifidianana. “Efa manana vahaolana hampiharina ao­rian’ny fifidianana isika, manoloana izao manjo ny firenena izao. Hajaintsika anefa aloha ny fenitra demokratika sy ny ara-dalàna. Alaintsika am-panajana ny fitondrana. Avy amintsika vahoaka izany fahefana izany ka averina amintsika”, hoy izy. Nanteriny fa tsy maintsy miala eo afaka enim-bolana izao fitondrana izao. Tapitra ny fe-potoam-piasany.
Nambarany fa natokany hihainoana ny maharary ny vahoaka ny fihaonana tahaka izao. Antony andehanany fiara izany. Notanisainy amin’izany ny lalana sy ny tanàna notsidihiny. Nandalo tany Sambava, Antalaha, Vohe­mar, Ampanefana, Antsirabe Nord. Nihazo ny any Am­bilobe sy iny Daraina iny ary tonga tao Ambanja…
Nanteriny fa tsy maintsy sitranina ny maharary ny vahoaka. Mila faharetana anefa izany, araka ny nambarany. “Isika tsy mba mandainga izany. Mbola betsaka ny paikady hapetraka. Ny sasany tsy vonona ho amin’ny fifidianana. Tsy maintsy hatao anefa izany”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: