Fikarakarana fifidianana : hisy fitsirihana farany ny lisitry ny mpifidy

“Mbola hisy ihany ny fa­ha­zoana manao fanamarinana faharoa aorian’ny 31 mey ho an’izay vao nisoratra anarana vaovao taty aoriana. Izay ilay hoe fitsirihana faharoa. Saingy fohifohy ihany ny fe-potoana hahazoana manao izay.” Io ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, ny amin’ny famaranana ny fanamarinana ny lisitry ny mpifidy vonjimaika, arakaraka ny fa­ha­tongavan’izany teny an­ivon’ny fokontany.
Amin’ny ankapobeny, to­kony ho tamin’ny 6 mey lasa teo izay fanamarinana izay no nifarana.
Tsy lazaina hoe maro na vitsy ny nanao fanamarinana. Misy ny olom-pirenena manatona fokontany, misy ny mijery ny “site web”-n’ny Ceni. Eo hatrany koa ny fahazoana manao fanitsiana eny anivon’ ny fokontany izay mety ho fahadisoan’ny mombamomba ny mpifidy tsirairay avy, na fanalana izay heverina fa tsy tokony ho ao anaty lisitra intsony amin’izao fanavaozana tanteraka izao .
Na izany aza, efa an-dalam-pamaranana ny 20 an­dro nomena ny olom-pirenena amin’izay fahazoana manao fanamarinana sy fanitsiana izay. Mbola mitohy kosa ny fisoratana anarana ho an’izay tsy mbola nanao izany. Amin’ ny 31 mey vao hifarana izay. Hamafisina ny fanentanana amin’izany, fa misy ireo olona mionona sy milaza fa efa nisoratra anarana teo aloha na ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (Ral). Nefa efa tsy ampy izay fa ilaina ny misoratra anarana vaovao, raha mbola tsy nahavita izany.
Izay no namoahana ny lisitra mpifidy tao amin’ny Ral, nefa tsy mbola nisoratra anarana amin’izao fanavaozana tanteraka izao. Anentanana azy ireo hisoratra anarana vaovao hatramin’ny 31 mey.

R. Nd.

Partager sur: