Ny fepetran’ny Vondrona eoropeanina (UE): arakaraka ny vola eo an-tanan’ny fiombonambe iraisam-pirenena no hahazoany mandray anjara amin’ ny fanampiana. Izay ny nambaran’ny ambasadaorony, i Isabelle Delattre, tamin’ny fanombohana ny herinandron’ny Vondrona eoropeanina teny Ankorondrano, afakomaly.
Vonona hanampy ry zareo amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Hihena anefa ny fanampiana. Tsy toy ny tamin’ ny fifidianana tamin’ny 2013 nifanarahan’ny kandidà roa lehibe tsy hirotsa-kofidina izany, na ny tamin’ny 2018 nivoahana tamin’ny krizy. Mbola miandry ny fehin-kevitry ny iraky ny Firenena mikambana (ONU) momba ny fifidianana, nitsidika teto ny volana marsa, ry zareo ny amin’izay fanampiana izay.
Voatohintohina
Nasiany teny koa ny fepetra noraisin’ny minisiteran’ny Atitany ny amin’ny fandrarana ny famoriam-bahoaka ankalamanjana ho an’ny antoko politika. Nefa misy hatrany ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahazoana hetsika famoriam-bahoaka amin’ny firenena manana ny fiandrianany. Na eo aza ny fanahiana ny fanohintohinana ny filaminam-bahoaka, zo fototra izay.
Araka ny fahazoana vaovao marim-pototra no tokony hanapahan’ny minisitera ny fandrarana ny fahazoana manao hetsika na famoriam-bahoaka ankalamanjana. Zava-misy maneran-tany izany. Fanohintohinana ny fahalalahana maneho hevitra sy manao famoriam-bahoaka ny fandrarana tsy misy fepetra na fanavahana. Mampihena ny famoriam-bahoaka politika ny fanaovana izany anaty trano. Amin’ny fivoriana ny faritra ambanivohitra, ohatra, tsy voatery hisy efitrano malalaka hivoriana na tsy maintsy fivoriana politika no atao.
R. Nd.