FES : Liana sy te hisehatra amin’ ny tontolo politika ny tanora

Notontosaina teny amin’ny oniversiten’Antananarivo Ankatso, omaly, ny fandaharanasa nokarakarain’ny FES (Frie­drich-Ebert-Stiftung). Nahafa­ha­na nanao vela-kevitra sy dinika lehibe ho an’ny tanora. Fotoana nahafahan’ny tanora naneho ny heviny mikasika ny zotram-pifidianana sy ny tontolo politika eto Madagasikara.
«Efa manomboka liana sy te hisehatra eo amin’ny tontolo politika misy eto Madagasikara ny tanora (18 – 24 taona) ankehitriny», hoy ny mpandrindra ny fandaharanasa eo anivon’ny FES Andriambolanoro Miray Clémen­ce. Nilaza izy fa tsara raha hatomboka eny amin’ny lycée sy ny ambaratonga ambany ny fampahafantarana ny tontolon’ny politika mba hahafahan’ny ankizy manao safidy tsara sy manana nofinofy mikasika izany. No­ha­ma­fisiny hatrany fa tokony hampiana sy homena sehatra ihany koa ny fihainoana ny tanora malagasy. Marihina fa tafiditra tao ana­tin’ny tetikasa «Participe» niarahana tamin’ny Vondrona Eoropeanina eto Madagasikara ny hetsika.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: