Fiarovana ny sisin-tany sy ny mpandeha : nanamafy fiaraha-miasa ny Tafika Malagasy sy ny APMF

Nanao soniam-piaraha-miasa ny Tafika Malagasy sy ny APMF. Mba hahafahana manatsara ny fitaterana an-dranomasina.

Nohamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ny Sam­pan­draharaha miandraikitra ny Seranan-tsambo ary ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy (APMF) sy ny Tafika Malagasy. Tontosa, omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Fiaro­vam-pirenena Ampahibe ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny roa tonta. Miompana amin’ny fandrindrana sy fampiasana ireo fitaovana sy olombelona eo anivon’ny minisitera roa tonta izany. Tanjona ny hiarovana ny sisin-tany sy hamonjena ny ain’olona ary hiarovana ny tontolo iainana an-dranomasina sy an-dranomamy. Eo koa ny hisorohana ny loza amin’ny alalan’ny fivoahan’ireo harem-pirenena sy mpiray tanindrazana antsokosoko any ivelan’i Madagasikara. Tora­ka izany ny fampidiram-bola misimisy kokoa ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana.

“Zava-dehibe ny fifanakalozana sy fifampizarana traikefa ananan’ny Tafika Malagasy, mba hahafahana miara-miasa amin’ny APMF”, hoy ny minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetry ny andro, Ramonjavelo Valéry.“Hitandro ny fandriampahalemana maharitra manerana ny Nosy mba hampandrosoana ny firenena, tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny Velirano 1 sy faha 12 an’ny filoham-pirenena ihany koa”, hoy ny minisitry ny Fia­rovam-pirenena, Jly Rako­to­a­ri­jaona Josoa.
Nohamafisina nandritra izany fa nahitam-pahombiazana tanteraka ny fiaraha-miasan’ny roa tonta teo aloha. Anisan’izany, ny paikady sy ny fomba nikarohana ireo teratany malagasy nitsoaka an-tsokosoko tany Mayotte ta­min’ity taona ity. 21 ireo vata-mangatsiaka hita vokatry ny fa­harendrehan’ny lakana nitondra azy ireo tamin’izany.

Mino ( mpianatra asa)

Partager sur: