Indray mijery

Nanofana ireo mpilatsaka an-tsitrapo teto Anala­manga ny Croix Rouge malagasy, hanamafy ny fahaiza-manaon’izy ireo rehefa misehatra eny anivon’ny fiarahamonina. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa vatsian’ny Vondrona Eoropeanina vola miaraka amin’ny fanohanan’ny FICR sy ny Croix Rouge Alle­mande, Luxembourg ary Frantsay izany.

Bisikileta miisa 171 nozaraina ho an’ireo mpampianatra sy mpianatra mendrika tao amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Avaradrano, ny herinandro teo. Nisy ny sivana natao nahafahana nifantina ireo mpianatra tena sangany sy mahay ary mendrika ny hisitraka izany.

Kaominina 39 ivelan’Antananarivo voakasiky ny fakan-kevitra mikasika ny fitohizan’ny drafi-pitarihana miompana amin’ny fahadiovana eny amin’ny kaominina manodidina an’Antananarivo. Nisy ny fihaonana tamin’ireo tomponandraikitr’ireo kaominina voakasika, nandraisan’ny tomponandraikitry ny fandaharanasa Piaa sy ny avy amin’ny Apipa anjara …

Partager sur: