Nahatratra 132 ireo olona voasambotra tamin’ny fanaovana trafikana zava-mahadomelina mahery vaika (tao ireo mpivarotra sy mpifoka, ankoatra ireo mitsindrona) nandritra ny volana avrily 2023 teo. 219 875 g ireo rongony tratra raha 849,6 g ny héroine ary 2 300 g ny crystal Méthamphétamine. Manoloana izany, nisy ny fanentanana nataon’ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina tamin’ireo sekolim-panjakana (Lycée) 16 teto an-drenivohitra. Mitohy ny hetsika ataon’ny polisy.