Maty teny am-pelatanan’ireo dahalo ny ramatoa iray rehefa avy nalaina an-keriny. Afakomaly no nitrangan’izany tao Morarano Ivakaka, distrikan’Amparafaravola…
Namoy ny ainy tampoka vokatry ny tranga fakana an-keriny azy ny renim-pianakaviana iray. Tao Morarano Ivakaka, distrikan’ Amparafaravola no nisehoan’izany ny alin’ny alatsinainy hifoha ny talata 20 jona. Nalaina mpaka an-keriny tamin’ ny 8 ora alina ilay lasibatra. Nentin’izy ireo nandositra. Nanara-dia ny fokonolona. “Hita faty tany amin’ny tanàna Vohidiala barazy, fokontany Antsakoana, kaominina ambanivohitra Amparafaravola, 10 km mahery miala ny toerana nangalana azy io renim-pianakaviana io”, araka ny loharanom-baovao avy amin’ny zandary ao an-toerana.
Natao ny fitsirihana ny razana, tsy nahitana ratra na iray aza tamin’ny tenan’ity namoy ny ainy ity. Maty vokatry ny fijanonan’ny fo tampoka izy, araka ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Tsy hita popoka kosa ireo mpaka an-keriny. Mitohy ny fikarohana sy ny fanarahan-dia azy ireo. Natolotra ny fianakaviany
ny vatana mangatsiakan’ilay ramatoa 46 taona.
Jean Claude