Morondava: sekoly kilan’ny afo

Efitra roa hotohoton’ny afo tao Nahamora atsimo, distrikan’i Morondava, omaly atoandro. May tamin’izany ny boky fianaran’ny mpianatra. « Tsy fantatra mazava ny na­hatonga ny firehetana », hoy ny fanazavan’ny polisy misa­hana ny fanadihadiana ao an-toerana. Nalaky nifarimbona tamin’ny famonoana ny afo ireo manodidina. Kila tante­raka tamin’ity fahamaizana ity ny kilasy T5. Tsy nisy mpi­anatra tao amin’ny trano sekoly tamin’io fotoana nisehoan’ny loza io. Sekoly tsy miankina ao an-toerana ity niharan-doza ity. Efa miditra an-tsehatra amin’ny famotorana ny raharaha ny polisy.

Tsiferana R.

Partager sur: