Olana iray goavana lalovan’ny firenena ankehitriny ny fampiharana ny lalàna. Zary ady hevitra sy raisina amin’izay tiana handraisana azy sisa ny lalàna manan-kery eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Mivoy izay tiany hovoizina sy mahametimety azy ny tsirairay. Ny tena zava-doza, ireo heverina ho manam-pahaizana momba ny lalàna sy ireo andry iankinan’ ny fampiharana izany indrindra no tsy mitovy hevitra. Misy aza sahy milaza ampahibemaso fa tsy manan-danja ilay lalàna. Lazaina fa lany daty sy tsy mendrika ny hampiharina eto amin’ny firenena intsony.
Mibaribary loatra ny fitiavan-tena sy ny fanaovana ambanin-javatra ilay tanindrazana, lazaina fa malala sy mahasarotiny. Hay fitia an-tendromolotra fotsiny ny an’ny ankamaroany. Fialokalofana sy fitsentsefana tombontsoa i Madagasikara. Rehefa mahametimety dia lazaina fa tiana. Rehefa lany ny mamy, na mahita ny tsaratsara kokoa dia ariana. Tsy mahagaga raha fahalatsahana an-katerena sy fahantrana lalina no mianjady amin’ilay vahoaka sy firenena. Ny tena zava-doza, tsy misy miraharaha sy mitady vahaolana izany ny fahoriam-bahoaka. Taingim-bozona sy tsindrio fa lavo no misy.
Tena miverin-dalana ilay firenena. Mitady hitodi-doha any amin’ny fanjakan’i Baroa. Hisetrasetran’izay manam-pahefana sy afaka mampiasa hery. Tsy eny anivon’ny fiarahamonina ihany fa mipaka hatrany amin’ny sokajin’olona sy ny “saranga” rehetra. Taiza no nisy izany hoe: atao kilalao ny fomba fiasa eny anivon’ny fahefana mpanao lalàna? Miova eny am-pandehanana ny dingana arahana satria izay no mahametimety ny “henjana”. Miala andraikitra ny olona napetraka amin’ny toerany. Atao anatin’ny tsy fanajana lalàna sy ny fitsipika anatin’ilay andrimpanjakana izany. Dia ho gaga ve isika, raha samy manao izay danin’ny kibony ny olona eny anivon’ny fiarahamonina misy antsika. Manjaka ny endrika herisetra samihafa, tsy misy hasina intsony ny aina, migadragadra fahatany ny olo-marina resin’ny lainga tsara lahatra, sns.
Raha fehezina, miverina amin’ny vanim-potoana mitady ny very indray Ramalagasy. Mila fahatsapan-tena handresy izay fahalovana samihafa izay. Mitady olona baikoin’ny fitiavan-tanindrazana marina i Madagasikara ka sahy mamono ny tenany ho azy. Rehefa tsy izay, mbola ny teo ihany no miverina. Ny olona no miova fa ny fanao hifandovana. Asa! Iza re izay olona izay e? Ho hita eo izany amin’io fotoam-pifidianana ho avy io.
r.r