Na teo aza ny hafatrafatra nampitain’ireo tomponandraikitra nanao ny fandaminana ka nampizotra tsara, araka ny tokony ho izy, ny fankalazana ny fety, nisy ihany koa ny tandrevaka nataon’ireo ray aman-dreny sasantsany amin’ireo zanany. Tao ireo efa tonga ny mpanaraka naka ireo ankizy niaraka taminy, ao kosa ireo mbola tazonin’ny tomponandraikitra miandry ireo haka azy.
Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray tra-doza tetsy Anosipatrana, afakomaly. Nanao taingin-droa tamin’ny moto, nifanehatra tampoka tamin’ny kamiao, izy roa lahy. Tsy nahatana ny familiana noho ny hatairana ilay mpitondra moto. Vokany, naratra mafy teo amin’ny lohany. Namoy ny ainy ny iray. Nentina namonjy toeram-pitsaboana ilay namany voa mafy.
Lehilahy iray hita faty tao amin’ny ranon’Ianakotsy, Tanambao Ihosy, ny alin’ny 23 hifoha ny 24 jona teo. Tsy nisy loha intsony io lehilahy io. Olona sendra nandalo no nahatsikaritra ny razana ka niantso ny fokonolona. Mandray an-tanana ny fanadihadiana ny raharaha ny polisim-pirenena ao an-toerana.
Mpamaky trano voasambotry ny mpitandro filaminana tetsy Sabotsy Namehana, ny alin’ny 25 jona teo. Nanararaotra anatin’ny andro fety, tsikaritr’ity olon-dratsy ity fa tsy nisy olona tao an-trano. Niditra an-tsehatra nikasa handroba izany izy kinanjo saron’ny fokonolona. Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka, tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana.