INDRAY MIJERY

16 mianadahy ny ankizy beazina ao amin’ny akanin’ny Marenina (Akama) etsy 67ha niatrika ny fanadinana CEPE. Afa-panadinana avokoa ny 14 tamin’ireo. Nahatratra 87,5%, araka izany, ny taham-pahafahana. Hampitaina amin’ny teny tanana ny lesona ho an’ny ankizy.

Hafana ny andro ao anatin’ny roa andro. Hidina ny maripana manomboka ny alakamisy tontolo. Hanodidina ny 21 hatramin’ny 26°C izany ho an’ny afovoantany. Tafakatra 34°C ny hafanana ambony indrindra any Maevatanana. Ho maina manerana ny Nosy ankoatra ny any Antalaha sy Maroantsetra.

Nofanina mikasika ny fandraisan’olona sy ny fahaizana serasera ireo mpiasan’ny fahasalamana misehatra amin’ny sampana vonjy aina eo anivon’ ny CHU Anosiala sy ny CHUSM Anjanamasina, Ambo­hidratrimo. Nisitraka izany koa ny mpiasan’ny fahasalamana mandray olona sy mpanome torolalana.

Namarana ny taom-pianarana mialohan’ny
fetin’ny Fahaleovantena ny ankamaroan’ny sekoly miankina amin’ny fanjakana. Maromaro ny sekoly miahy tena mbola manohy mampianatra. Mbola misy miatrika fanadinana fifindrana kilasy ny sasany. Misy ny sekoly mampandoa saram-pianarana volana jolay.

Partager sur: