SOMBIM-BAOVAO

Lalao afrikanina
Tafita eo amin’ny famaranana, amin’ny lalao afrikanina amin’ny torapasika ny Teqball malagasy, olon-droa miaraka lahy sy vavy nahitana an’i Fani­risoa Richia sy i Diarra Spencer Erickson. Fihao­nana, notanterahina tao Hammamet Tunisie, omaly alatsinainy 26 jona. Niady ny medaly volamena tamin’i Nigeria izy ireo. Tafita amin’ny lalao eran-tany, tanterahina any Bali, Indonesie ny volana aogositra ho avy izao, izay voalohany eo.

Kitra – Opl
Ekipa voalohany tafita amin’ny famaranana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, orange pro league (OPL), ny Fosa Jr Boeny. Mbola resiny, tamin’ny isa 3 no ho 1 ny Ajesaia, nandritra ny manasa-dalana mive­rina, natao ny alahady lasa teo, tany Mahajanga. Nisaraka ady sahala, samy tsy nisy nitoko, ny Cosfa sy ny AS Fanalamanga, ny sabotsy lasa teo, teny Mahitsy. Miandry ny “match d’appui”, hatao ny 28 jona izao, hahalalana izay ho mpan­dresy.

Rugby
Samy nivoaka ho mpandresy avokoa ny Makis de M/car, U20 sy ny “senior” nandritra ny fihao­nana tamin’i Bristol, avy any Angletera. Fihaonana natao teny amin’ny kianja Makis, ny sabotsy lasa teo. Lavon’ny Makis, tamin’ny isa 58 no ho 16 ny U20 ary 58 no ho 25 ny sokajy zokiny.

Partager sur: