Volley Analamanga
Hotanterahina, ny faran’ity herinandro ity, ny manasa-dalana sy ny famaranana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga, taranja Volley-ball, etsy amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano. Ny sabotsy no hatao ireo lalao manasa-dalana mbola tsy vita, eo amin’ ny sokajy U16, U18 ary U20. Efa fantatra kosa fa hifandona amin’ny famaranana ny ekipan’ny GNVB sy ny BIAS eo amin’ny sokajy U16 lehilahy ary hihaona kosa ny ASI sy ny GNVB eo amin’ny sokajy U20 lehilahy.
Nahemotra ny tetiandrom-pifidianana Section FMF
Hatao amin’ny 1 sy ny 2 jolay ny tetiandrom-pifidianana ho an’ny “section”, noho ny olana samihafa misy amin’ny fikarakarana izany. Araka izany, nisy ny fanazavana nataon’ireo vaomiera roa izay misahana ny fifidianana sy ny resaka fitoriana, teny Isoraka, omaly. Nambaran’izy ireo fa natao handinihina ireo fitarainana isan-tsokajiny sy ireo fitoriana rehetra ity fe-potoana ity. Ho an’izay misy olana, hatao amin’ ny 8 sy 9 jolay ny fifidianana any amin’izy ireo.
Voalohany anatin’ny lisitra MVP i M’Madi
Miisa 10 ireo mpilalao mendrika MVP hosafidiana mandritra ity fifaninanana “Fiba World Cup 2023 U19”, izay atao any Debrecen, ity. Ilay Malagasy mpilalao basikety, M’Madi no mitarika amin’ity lisitra ity, ary manomboka liana aminy avokoa ny mpitily mpilalao rehetra. Ny lalao nihaonan’i Madagasikara sy i Frantsa no naharesy lahatra ny mpifidy rehetra tany an-toerana fa mahay i Madi, ary nahatafiditra “33 pts” izy,
tamin’io fifanandrinana io.