VAOVAO TAMBATRA

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ilay teratany Israelianina tratra teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny herinandro teo. Saika hanondrana sokatra 59 izy ka izao voasambotra izao.
Miisa 2 ny kandidà hisafidianan’ny filankevitry ny minisitra hitantana ny Jirama.
Tany am-boalohany, miisa 19 ireo nirotsa-kofidiana, ka ny 5 ihany no Malagasy. Nihena ho 13, lasa 6, ary 4 no tavela taorian’ny masontsivana samihafa ary izao niafara ho 2 izao sisa.
Natolotry ny orinasa Ambatovy, ny 29 jona teo, ny Drafi-pampandrosoana ny kaominina (PCD) ho an’ny faritra voakasiky ny tetikasa Ambatovy. Torak’izany koa ny Drafitrasa fampiasam-bola (PIC) ho an’ny kaominina Toamasina I sy Moramanga. Nahavitana izany ny Tahiry sosialy sy ny fotodrafitrasa an’ny orinasa Ambatovy.
Nanomboka omaly ka hatramin’ny 1 jolay izao, ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny ranomasina. Atao ao Toliara ny fankalazana amin’ity taona ity, nentina nanombohana ny hetsika omaly ny “kapindry laka” niainga tao Sarodrano ka hatrany Andaboy.

Partager sur: